

TARATASY MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA MALAGASY,
INDRINDRA INDRINDRA HO AN’NY TAFIKA MALAGASY,
ZANDARMARIA SY POLISIM-PIRENENA
Ny mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitondram-panjakana
hampitambatra ho iray ny Zandarmaria sy Polisim-pirenena
ary ny am-pahany iray ao amin’ny tafika Malagasy
Notsotsorin’ny Fitondram-panjakana ny fanambarana ny fanapahan-kevitra noraisiny mikasika ny fampitambarana iray
ny fitantanana ny Zandarmaria sy ny Polisim-pirenena ary ny ampahany iray ao amin’ny Tafika Malagasy. Raharaha
mahakasika ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy manontolo ny resaka fiarovam-pirenena. Izany dia midika fa ny
fandrafetana ny “ Fomba fijery ny fiarovam-pirenena (Concept de la défense nationale) dia tsy andraikitry ny tafika na ny
zandarmaria na ny polisy fotsiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana, ny fivoaran’ny fiarahamonina, ny
fampandrosoana, ny didy aman-dalana, ny fijery ny fitantanam-panjakana ary indrindra ny fiandrianan’ny olompirenena
sy ny firenena. Adidy lehibe sy mavesatra eo amin’ny tantara ho an’ izay Filoha fara tampony misahana ny Foloalindahy
ny mitandro ny hasin’ny maha-olona Malagasy manoloana izany.
Lafiny teknika sy fiofanana. Samihafa tanteraka ary manao atsimo sy avaratra ny sampam-piofanana namolavolana ny zandary sy ny polisy. Raha ao amin’ny “Akademia miaramila” no mandalim-pahaizana ny zandary, ny polisy kosa dia ao amin’ny “Sekolim-pirenenan’ ny polisy”. Fianarana sy fiofanana feno no lalovan’ny zandary ao amin’ny akademia miaramila. Izany hoe manana fahaizana sy toetra mitovy amin’ny tafika izy. Ny polisy dia nofanina sy norafetana manokana mikasika ny “fitandrovana ny filaminam-bahoaka an-tanana (maintien de l’ordre en ville)”. Tsy nandalina manokana na nozarina am’izany hoe “fandriampahalemana any ambanivohitra (sécurité rurale)” izany mihintsy ny polisy. Ny fidirana ho zandary dia safidy iray amin’ny sampana maro ao amin’ny akademia miaramila (Choix d’arme, genie, parachute, armée de développement, gendarmerie…). Avy ao na mamonjy mankany Moramanga na eny amin’ny oniversité ny mpianatra ho zandary. Sasanangy samihafa manana ny hanitra sy ny lalan-kizorany ny zandary sy ny polisy. Samy manana ny “talentany avy” eo amin’ny sehatra misy azy.
Ireo dia manambara fa tsy ny fampitambarana tsosotra no vaha-olana mikasika ny fiarovam-pirenena. Ny fanovana na
ny fandaminana mikasika izany dia mitaky fandalinana ny tantaram-pirenena, ny tantaran’ny fiarovam-pirenena, ny
fivelaran’ny fiarahamonina ary ny endriky ny fitantanan-panjakana mihintsy.
Fomba fijery ny fiarovam-pirenena (Concept de la défense nationale). Raharahan’ny vahoaka malagasy manontolo
ny fiarovam-pirenena. Dinika iraisan’ny manam-pahaizana isan-karazany sy ny herivelom-pirenena isaky ny ankolafiny no antoka sy fepetra tokana sy ampy handrafetana azy. Takian’izany ny hevitra avy amin’ireo manamboninahitra ambony ao amin’ny tafika, zandary, polisy nandalo ny « école de guerre ». Ambaranay fa misy vitsivitsy ireo sivily malagasy nahavita fianarana ambony ka mahafehy tsara ny “concept de la défense nationale”. Tsy azo atao an-kilabao ny hevitra avy amin’ireo kadra maro mahay politika, filozofia, sciences sociales, indrindra ny olom-boafidy…
Politika Ny fanapahan-kevitra raisina dia tsy maintsy misy tanjona tiana ho tratrarina sy ahatongavan’izay maka azy foana. Mametraka ny fanontaniana izahay: Izao fanapahankevitra noraisin’ny mpitondra fanjakana izao ve nataony indray hiarovana sy hanamafisana ny fiarian-karenan’izy mpitondra! Maro mantsy ny fepetra sy ny didy aman-dalana efa hita fa noraisiny ka manamarina izany. Vao maika hadisoana bevava ho amin’ny fiarovana ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny firenena raha toa ka fandikana vilana ny misy any amin’ny firenen-dehibe hafa fotsiny.
Antananarivo faha, 12 oktobra 2008
Ny Filoha Nasionaly
Hary Naivo RASAMOELINA