compteur immobilier

TARATASY MISOKATRA
HO AN’NY HERY MPAMOKATRA MALAGASY,
NY FIVONDRONAN’NY MPANDRAHARAHA ISAN-TOKONY ETO MADAGASIKARA,
INDRINDRA  IREO NANAO FANAMBARANA HO AN’NY FITONDRAM-PANJAKANA MIKASIKA NY TOKONY HANDINIHINA MIARAKA NY MIKASIKA NY FITRANDRAHANA NY HARENA ANKIBON’NY TANY

 

Satria notanterin’ ny haino aman-jery mba ho fantratry ny olom-pirenena rehetra ny “fanambarana-fangatahana” ny faha 06 novambra 2008, nataon’ny fivondronan’ny mpandraharaha vitsivitsy mikasika ny tokony hamerenan’ny fitondram-panjakana ny fandinihina indray ny fotokevi-dehibe sy ny planina eo amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany,
Ny Birao Mpanatanteraka Nasionalin’ ny antoko dhd Madagasikara, izay nivory ny alarobia faha 12 novambra, tao amin’ny foibe toerany dia manao izao “fanamarian-kevitra” manaraka izao:
Marina sy rariny ny fanamarihana sy ny fangatahana nambaran’ireo mpandraharaha. Tsy manome vahana ny mpandraharaha Malagasy sy ny tera-tany ny fitsipi-dalao eo amin’ny fandaminana ara-toekarena eto Madagasikara. Tsy mitovy ny toerana misy ny samy mpihary harena manoloana ny lalana sy ny fiarovana azy. Sady tsy mpandrindra ,no tsy mpanelanelana , no tsy mpiharo ny mpandraharaha eto an-toerana ny fitondram-panjakana ankehitriny.
Ambaran’ ny antoko dhd Madagasikara fa ny zavamisy rehetra dia manambara fa maka ny toeran’ny “mpifaninana” amin’ny mpandraharaha sy ny hery mpamokatra ny fitondram-panjakana. Tsy “homme d’Etat” ny tompom-pahefana ankehitriny . “Homme de pouvoir” no mamily ny fanjakana. Ampiasainy ny fahefana eo am-pelatanany hifehezana sy hamiliana ny fitsipi-dalao rehetra ho any amin’ny fanamafisany ny fahefana toekarena ho eo am-pelatanany.  Nataony hampivelarana ny harenany avokoa ny didy aman-dalana sy ny fepetra noraisiny. Izay famatsiam-bola karohiny dia nahompany hampandrosoana mivantana na an-kolaka ny fiarian-karenany manokana. Fitaovana an-kolaka nentina nandambolamboana ny maro an’isa fotsiny ny hoe: “Fampandrosoana” sy ny “tombotsoam-bahoaka”.
Ny antoko dhd Madagasikara dia sahy milaza fa voafitaka ny Malagasy.  Tsy mitovy ny tombotsoa kendren’izao fitondram-panjakana izao sy ny an’ny vahoaka malagasy. Azo tsapain-tanana ankehitriny fa miha lalina hatrany ny hantsana manasaraka ny fomba fiaina sy ny fomba fiahariana ary ny tombotsoa azon’ireo tompom-pahefana sy ny hery mpamokatra eto an-toerana. Manamarina izany ny fahitana ireo kilasin’ny manakan-tao teo aloha sy ireo eo an-elanelany ary ireo tena sahirana, izay latsaka lalina ao anaty ny krizy tsy ahitana mangirana. Tsy mieritreritra ny hitady vaha olana amin’izany ireo tompom-pahefana ireo. Vao maika aza ny hampahantra an’ireo no ataony mba tsy ho afaka ny hitraotra intsony. Amin’ny fomba faran’izay miafina sy voasivana no hanaovany izany.
Tian’ ny antoko dhd Madagasikara koa ny mampatsiahy eto indary ny efa nambarany tany aloha. Vao nanomboka nikatsaka ny fahefam-panjakana ny mpitondra ankehitriny dia efa fantany mazava ny tanjony : « Hampiasa ny fahefam-bahoaka hanongonan-karena ho azy mpitondra!”.  Mpiray antoka amin’ireo mpangoron-karena eran-tany koa izy ireo. Izany no naha tonga ny antoko dhd Madagasikara nilaza fa “Ultraliberaliste” na “ratsa-tanan’ireo ultraliberalistes eran-tany” ny mpitondra antsika ankehitriny. Tsy nomeny sehatra mazava hiarian-karena ny hery mpamokatra Malagasy. Nataony vain-dohan-draharaha anefa ny nanome malalaka ny fivarotana ny tany ho an’ny hery mpamokatra vahiny raha vao azony teo am-pelatanany fotsiny ny fahefana. Tsy nataony izay hiarovana ny hery mpamokatra Malagasy. Ny nanamafy sy ny nampitombo ny orinasany ary ny hifehezany ny fiarian-karenany no nataony. Potika vokatr’izany ireo hery mpamokatra Malagasy rehetra. Hireharehavany ny manjaka tokana.
Iza no tsy mahalala fa vokatr’izany maha “Ultraliberaliste” azy izany ny tetika efa nosainina mialoha ho fampidirana ireo “sociétés multinationales” hitrandraka ny harena eto Madagasikara ankehitriny ireo. Sady firaisana tsikombakomba hanongonan-karena izany, no fanapotehana ny hery mpamokatra Malagasy, no fampahantrana ny vahoaka Malagasy. Tsipihan’ ny antoko dhd Madagasikara fa tsy manohitra bontolo ny “IDE” na izay mety ho“fiarian-karena ifandrombonana iraisam-pirenena” akory izy. Fantatry ny antoko dhd Madagasikara tsara ihany koa fa tsy ny mpiasam-panjakana na ireo voatery tafiditra ao amin’ny fitondram-panjakana rehetra akory no tompon-kevitra.  Ny tsy eken’ ny antoko dhd Madagasikara dia ny tetika sy ny fomba fitondrana ataon’ny tompom-pahefana voalohany sy ireo mpiara-dia aminy. Fomba fanjanahana an’i Madagasikara indray izao iainana ankehitriny izao ary fanamafisana ny fiarian-karenan’ny kilasin’ny tompom-pahefana fotsiny.
Manoloana izany dia manainga ny hery mpamokatra, ny vahoaka rehetra sy ireo fikambanana isan-tokony ny antoko dhd Madagasikara haneho hevitra tsy mitsahatra hatrany. Hataovy izay hampivandravandra ho hitam-poko sy ho hitam-pirenena ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena mianjady amin’ny vahoaka sy ny firenena Malagasy ankehitriny. Mitaky fiovana ny toe-draharaha ankehitriny.
 Sady mitaky fahavononana sy fifandeferana izany no mitaky firaisankina. Ny antoko dhd Madagasikara dia sahy manambara tsy mihambahamba fa “mbola misy ny politika hafa hazahoana manova ny fiainana andavan’andron’ny Malagasy isan-tokatrano”.


Antananarivo faha, 12 novambra 2008

 

                          Amin’ny anaran’ny Birao Mpanatanteraka Nasionaly
                              Ny Filoha Nasionaly

                                 Hary Naivo RASAMOELINA